You are here: home > Vetso

nanandrana aho ny niodina - cedarf

Azo vakiana?

nanandrana aho ny niodina, lasa tsy nitodika,
nandefa ny fisainana hiery ny alokao;
nandoro ny fanahiko aho: ho levona sy ho potika
izay rehetra taminao,...

nataoko izay voalazan'ny tondrozotranao,
nivavaka aho: "ry Tompo esory ny adin-tsaiko!",
mba hoentiko hanariana ny mombamombanao.
ny ventin-dranomasoko, nila anongotra ny aiko.

nilatsaka ato am-poko ny vesatry ny teny
noentinao nandrava ny foko mbola tia,
mbola faratampon'ny fitiavana izy ireny
dia narodanao hikoro, tsy hiarina ho doria.

kanefa,
ny salovanao niserana,
dia ampy, nandraofanao ny foko
izay feno ny fitiavako ngeza tsy azo ferana
hitia anao sy hanompo.

hadalana ngamba?
asa...

fa raha am-pahendrena, no noentinao nilaza
fa vita ny amin-tsika. Dia ankona ny foko!
na satry hivazavaza, handresy lahatra eto ,
fa mbola misy ambiny tavela tsy voarava
mitombo sy misoko.

ty aretinao ry foko!

nitiavanao ty olona tsy tianao akory,
nanampy anao hizioga ny vesatry ny jaly;
nampiraviravy fiadanam-po mahory;
nanaovany andrakandrana, FA TSY FANTANY HOE MARARY!

Sokajy : Fisarahana

Hametraka hevitra

Midira aloha