You are here: home > Vetso

veloma ho an'i diana (mandria am-piadanana) - cedarf

veloma ry sakaiza! ontsa anao ny foko
izay ambaran'olona toa mbola tsisy inoako,
mitambolona ao an-tsaina toa mifamahofaho;
ny ankason'ito fiainana, nianjera taminao.

vatana sy nofo ary fo mitepo aza
no nahalalako anao, niriaria fahazaza;
ny tsiky sy hafaliana, ny fo amam-panahy
indrisy fa ho levona any ambany rangolahy.

ny momba anao rehetra tsaroana fa tsy maty,
raha mbola mety aza hoalevina ao anaty,
fa ny endrika amam-bika, ny fonao manontolo;
ireny rehetra ireny, hody vovoka daholo

tsy inoako mihitsy hoe ianao no manoloana
voahodidim-boninkazo sy olo-maro tafahaona,
minia tsy mahare ny ranomasonay ireto
indray nitopy maso anao aho dia nisento.

ny irariako ho anao any an'habakabaky ny lanitra;
ny tsy hiverenanao intsony, fa any ianao finaritra,
ny adin-tsaina sy hirifiry, ny fahoriana teto an-tany,
efa adinonao izany.

aza mihelina intsony aminay 'zay mbola miady,
aza miantso olon-kafa! ianao koa tsy hisy hitady;
fa ianao ry ilay sakaiza, tojo anao ny fitoniana;
any an-koatran'ny tontolo tsy anjakan'ny fijaliana.

dia,...

ny nofonao ho raraka ao am-pasana mangina,
ny vetsonay ho anao kanefa tsy ho sina;
fa ny velona eto kosa, manantena rahatrizay,
rehefa handao an'ito tany, any isika mihaona indray.

mandram-pihavin'ny fotoana hahitana anao anefa,
ny adinay mitohy, fa ny momba anao mitoetra;
mitambolona daholo anaty fo amam-panahy
ny veloma farany, sy ny rakitry ny tsiahy.

zany vetsovetso miantso f'efa trotraka,
manko lay amboara niriariavana no motraka;
nalainao ry fasana sy natao an-tery setra
natelinao ny nofony no tsy nasianao tsetra.

tsiny sisa manko sy sento no tavela
nahoana ianao no lasa? ary koa tsy niera!
ny vavako mangina sy ny saina valalanina,
no hoentiko hamaranana ny sento mahafanina.

Hametraka hevitra

Midira aloha