vavaka ho an'ny firenena (cedric tolojanahary)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vavaka ho an'ny firenena


Ray รด!
Raha sitrakao,mba henoy ireo talaho.
Sy fitarainana isan'ora.
Fa ny adinay tsy mora.
F'isan'andro isan'andro,na maraina na atondro
Efa mila ho kivy fo,mba tantano Ray Tsitoha.
Mba tantanonao tsy ho very.
F'aza avela handeha irery.
Na ho trotraky ny ady...mitalaho re,miangavy.
....................................................................
Ny vahoakanao jereo,fa indreo toa mitoreo.
Reraka sy ketraka,milanja izay mavesatra
Tsy mba misy hafaliana,tsy manam-pitoniana.
Fa dia sentosento lava,no manerana ny tava.
....................................................................
Vimbino re ry Tompo tia,f'efa reraky ny dia.
Sy torovaky ny jaly,ka mahatsiaro maharary.
Ity firenenay ity,angatahana aminao.
Fa mbola be ireo, nania,ny fatorany vahao.
.....................................................................
Ekeko anefa jesoa,f'hianao mahalala izay mahasoa.
Sy 'zay hitondranao anay,ka matoky re ry Ray.
Mahatoky anao 'zahay.
Amin'izay rehetra atao,mino aho fa eo foana ianao.

Cedric tolojanahary
--------
Rohy:
1007 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104