Fantatro (Clarisse Ratsifandrihamanana)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
[Dikan-teny malagasy an'ilay tononkalo "If" nosoratan'i Rudyard Kipling].

Raha folaka tanteraka ny lelan'ny angady
Fa tohatra ny vato
Fantatro ianao fa vonona hiady
Tsy manaiky hiato
Hiezaka hisedra ny zava-manindao
Hanomboka hanefy angady vaovao.

Raha safotry ny rano ny vary hojinjaina
Nijojo izany orana
Fantatro ianao fa tsy hiferin'aina
Na hangorangorana
Hitraka avy hatrany, hisiki-kerim-po
Eny, hamafy indray, handatsaka ny voa

Raha lasan'ny tadio izany tafontrano
Nanaovany ankaso
Fantatro ianao fa tsy hanganohano
Handatsa-dranomaso
Ho avy hanararaotra izany hany mba fotoana
Hanafoana indray ilay trano babangoana.

Raha rendrika tsy nahy ilay laka-niampitana
Nivadibadika any
Fantatro ianao fa tsy hihanahana
Hidaboka amin'ny tany
Hitsangana malaky, tsy hangaihay
Hikiry sy hamita lakana hafa indray.

Ny asa rehetra vita raha kila hotohoto
Nirodana, nirava
Fantatro ianao fa hiarina amin-joto
Hanarina ny rava
Ny teny famoizana ho sanatriavinao
Ny lambam-pikirizana no hisikinanao.

Raha tafakatrao ilay kisolosolo
Raha voaverinao ilay efa bobongolo
Eny, sombinaiko, ny fikirizanao
Ekeko, eny ekeko, mitomban-dahy ianao.
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1900 2
Mpakafy: rfanomezantoky - jantina
Hevitra mandeha
rfanomezantoky ( 24/09/2019 12:10)
Marina loatra ny ambaran''ny tononkalo. Inona moa no antony tokony hijanonana eo ambany eo fa tsy aleo ve manohy ny ady hatrany e? Azo antoka ny fandresena rehefa tsy milavo lefona mihitsy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Clarisse Ratsifandrihamanana
Nampiditra : ikalamako
Daty : 21/09/2019 17:29
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137