You are here: home > Vetso

Hitako nitafitafy. - Clarisse Ratsifandrihamanana

Hitako nitafitafy ny lelam-baravarany
Ka nandiso avy hatrany ny zavatra nambarany
Satria nilaza tamiko izy: "efa fefika ny zahatra"
Rava teny anivon-drano, tsy mba nisy izay namahatra."

Efa fefika ny fo ka tsy re ny emponempony
Nisamboaravoara mafy dia nangina ny fitepony
Ka ny aina nihararetra, ny fitia namboloina
Samy foana avokoa, tsisy ako iray hanoina.

Oh, nilaza tamiko izy fa namita sy namarana
Ary efa nanadino ka nanapaka tarangana
Iny nofiny aza, hono, nofefeny tsy ho ahy
Notsipahiny avokoa ny fatoran'ny fanahy.

Kanjo, raha nandalo aho, hitako ny harangarany
Fa nisokatra tsy nahy ny lelam-baravarany
Rava teo ny finoako ireo zavatra nambarany
Ny kapoakan'ny fitia tsy mbola tapitra nararany.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Clarisse Ratsifandrihamanana


Nampiditra : ikalamako
Daty : 01/10/2019
Mpamangy : 462
Mankafy : 2

Tononkalo hafa

Fantatro
Mbola hisy
NY TENA TIA
MAMA