Mbola hisy (Clarisse Ratsifandrihamanana)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mbola hisy takariva ho hazavain'ny volantsinana
Hibanjinanao tsy satry iny habakabaka iny
Ho tsinjonao mibaribary "volan'iny tsy hanombinana,"
Toa ilay niarahana nijery tamin'ny andron'ny fahiny

Mety koa anefa hisy rahona hisavorovoro
Ka ho takona amin'izany ilay hazavany soa madio
Ho toa izay ilay hasambarako izay narodanao hikoro
Ka hitomaniako irery amin'io fotoana io.

Mbola hisy ali-maizina, hanofisanao ny lasa
Hitampodian'ireo fahiny izay niarahanao tamiko
Ka hahatsiarovanao mazàna ireo zavatra voakasa
Ary handrenesanao indray ny sentosento sy tomaniko.

Mety koa angamba ianao, mety tsy hahita tory
Fa seranin'adin-tsaina amin-javatra ankiray
Ho tadidinao ny amiko... tsy manozona aho tsy akory
Fa hivavaka ho anao amin'izay fotoana izay.

Mbola hisy sendrasendra hahatsiarovanao ny lasana
Ho hanenenanao angamba ilay niantsoako hoe "andraso !"
Satria mety amin'izany, ho efa vovoka any am-pasana
Ito tenako mahantra izay nianjadian'ny ankaso.

Eny, mety hisy izany... nefa izao no hiangaviako
Aza atao maharitra ela ny fandefasanao fisainana
Fa ny hasambaranao... izay no hany fifaliako
Efa anjarako ny jaly araka ny tendrim-piainana.

Mbola hisy ! Eny hisy... na ho ela na ho haingana
Hitampodian'ireo tsiahin'ny fahiny... tsy hipody
Angamba ny endriko mihitsy no ho tsinjonao mivaingana
Kotsakotsan-dranomaso... nefa tsy miantso tody.

Mbola hisy marimarina ny tampodin'ny tsiahy
Fahatsiarovana no sisa, handrotindrotika fanahy.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1465 2
Mpakafy: hery - rfanomezantoky
Hevitra mandeha
hery ( 22/09/2019 16:59)
Ny henjana :-o
rfanomezantoky ( 24/09/2019 12:14)
Hanjana ny mpanoratra fa henjana koa ny namabarany ao amin'ny tononkalo
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Clarisse Ratsifandrihamanana
Nampiditra : ikalamako
Daty : 21/09/2019 17:24
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107