Ilaiko izany ! (cowboy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
nalaina tao amin'ny www.malagasy.ht.st

Raha tolotolotra sy fanomezana
Na vanitika sy fihomehezana
Indrindra ka tambitamby sy teny mamy
Ekeko daholo fa tena ilaiko izany

Ny orokoroka sy safosafo
Sa zava-pisotro sy sakafo
Tsy dia fampitaha ihany
Nefa dia ilaiko izany

Dia fahaizana sy fahendrena
Sa ho vola aman-karena
Raha tena hisafidy ihany
Dia samy ilaiko izany

Ary ny embonembona an-gitara
Sy vetsovetso am-parara
No hirahira hatrany
Satria tena ilaiko izany

Fa ny fifandraisana sy ny serasera
Dia zavatra tsy haiko havela
Tsy taratasy sy telefaonina na internet ihany
Fa tambo, ilaiko daholo izany

Nefa tsy misy dikany avokoa ireo
Raha tsy ao amiko intsony ilay feo
Manambara amiko, manatitrantitra
Fa ilaiko ianao, ilaiko Andriamanitra.

CoWBoY___
18.12.2003
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
3358 1
Mpakafy: kally
Hevitra mandeha
dadatsima ( 20/02/2012 22:25)
ilay hoe orokoroka sy safosafo hoe tsy ilaina angamba diso kosa aleo lazaina ihany ny tena marina e
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : cowboy
Nampiditra : cowboy
Daty : 30/12/2003 11:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0132