ILAY AMPITSO - DadaRabe
Azo vakiana?
ILAY AMPITSO
Manofy ilay ampitso mamerovero fatratra ;
Manofy lendalenda, diavolana tomaratra ;
Manofy taona zina sy fararanom-bokatra ;
Manofy tojo tanjona, tafakatra ny tohatra.
Manofy fahasambarana, fotoana paradisa ;
Manofy fisantarana ny mamy tsy hita isa ;
Manofy lohataona ravaham-boninkazo ;
Manofy andro miratra ventesim-bazovazo.
Manofy trano bongo mitohoka tantely ;
Manofy tany lonaka manintona fijery ;
Manofy hazavana mandresy haizim-pito ;
Manofy, manantena fa mino ilay ampitso.
DadaRabe
La Charité
27/09/06 15:58
Hevitra mandeha
dadarabe (05/08/2009 00:41:11)
Version hafa (nohavaozina) amin'ilay ampitso :
ILAY AMPITSO
Manonofy ampitso mamerovero fatratra ;
Manonofy lenda, diavolana tomaratra ;
Manonofy zina sy fararanom-bokatra ;
Manonofy tojo, tafakatra ny tohatra.
Manonofy sambatra, fotoana paradisa ;
Manonofy santatra sy mamy tsy hita isa ;
Manonofy taona ravaham-boninkazo ;
Manonofy miratra ventesim-bazovazo.
Manonofy akany mitohoka tantely ;
Manonofy lonaka manintona fijery ;
Manonofy taratra mandresy haizim-pito ;
Manonofy hatrany fa mino ilay ampitso !
DadaRabe
La Charité sur Loire
27/09/06
Nirilala (05/08/2009 05:37:09)
Samy tsara ny version roa, toa mitovitovy ihany. Ilay voalohany toy ny hoe nofy ao anatin'ny torimaso misy sarisary maro; ilay faharoa indray toy ny hoe faniriana.
dadarabe (05/08/2009 10:00:02)
Tena marina mihitsy ny voalazanao Nirilala à! Izay no namerenako azy satri rehefa nojereko dia ilay nofinofy faniriana ilay izy. Nefa samy manana ny heviny izy roa.
Izay fa misaotra é!
Nirilala (05/08/2009 11:47:42)
misaotra dadarabe fa tena hainao tokoa ny tononkalo
dadarabe (05/08/2009 12:06:55)
Ianao no isaorana mamaky. Raha tsy misy mamaky ny tononkalo dia toy ny valiha very fanahy ! ;-)
maeva74 (05/08/2009 23:45:17)
Mahafinaritrany tonokalonao ry Dadarabe ! mampazoto koa ny miserantserana any amin' ny blaoginao.Misaotra nizara
dadarabe (06/08/2009 00:08:01)
Misaotra maeva74. Ny talentanao ihany koa ! ;-)
Malita (23/04/2010 09:34:15)
tena hainao ny manoratra, misaotra hatrany mizara eto
dadarabe (23/04/2010 18:27:38)
Misaotra Malita à !
Mirary soa
Malita (24/04/2010 05:33:06)
Tsy misy fisaorana fa ianao ary no tena isaorana, manome fifaliana sy mampanidina eny ambony eny ;-)
dadarabe (25/04/2010 02:12:03)
Dia miaraka manidina an-tononkalo é :))
Mombamomba
Mpanoratra : DadaRabe

Nampiditra : DadaRabe
Daty : 08/10/2006
Mpamangy : 2660
Mankafy : 5
Tononkalo hafa
Ny tanimbarikelikoAZA KAROHINAO !
NY NOFINOFINAO
Blaogin’i DadaRabe
IZY INDRAY ANTSOINA !
ENY AMBONY
Hatramin'ny nahalalako anao
Efa fantatrao
Ataoko toy ny hoe...
Izy angamba any...