Izy angamba any... (DadaRabe)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZY ANGAMBA ANY…

Izy angamba any mitazan’iny lanitra
Tsy mety fa miharitra,
Mibanjina tsy miato iny volan’iny
Na sendran’hirifiry…
Na alina mangina na koa somambisamby…
Manofy tsy ho lany !

Izy angamba any ! am-baravaran-kely,
Tsy sasatra mijery
Ny rahona misosa sy vorona mandalo,
Angamba koa mikalo
Ka revo mitanisa ireo androm-boninkazo
Ataony vazovazo.

Izy angamba any, mamoaka ny diary
Ary koa ireo sary
Mirakitra ny andro sy volana tantely,
Angamba manirery !
Kanefa tsy miteny fa miezaka mitsiky
Ireo molony manify.

Izy angamba any, mba manontany koa,
Mametsovetso am-po
Hoe moa izaho aty mandefa nofy ho azy !
Fa hoe tsy mbola maty
Ny afon’ny fitia niarahanay namindro
Tan’ala mikirindro.

Izy angamba any… iza no mahalala ?
Efa nandao ny ala ?
Ka any an-kafa indray no efa miatsampy
Ka ampoka sy ampy
Sy efa nanadino ilay zahatra nitriatra…
Niarahanay niampita !

Izy angamba any…

DadaRabe
Aix-en-Provence
10/12/02 13 :00
--------
Rohy:
2404 3
Mpakafy: rinakely1 - Ryana - DadaRabe
Hevitra mandeha
Ryana ( 20/03/2004 15:27)
Mankasitraka!
Ryana
DadaRabe ( 20/03/2004 15:32)
misaotra Ryana ô ! Elaela tsy heno !

DadaRabe
andriary ( 22/03/2004 16:48)
Tsara ny rija kevitra
tsara koa ny aingam panahy.
tena poety
sarondrahona ( 29/05/2004 10:42)
Izy aloha aty, tomanimany lava tsy anilan'olon -tiana :
Milofika mangina
sasa-manonofy ny ora sy fotoana
fametrakao foana

Ary izy iny aty, kivikivy lava tsy ahitan -teny
Ingain'ny kiry hanjeny;
Manjary isan'olona mpameno ny fianarana :
Mpandrindri-baravarana

Ary izy aty...
tsy mbola niova mihitsy
Fa tena mbola tia !!!

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( Tél : 033 14 253 57)
29 Mey 2004/ tamin'ny 12 :40 atoandro
Teto amin'ny D.COM.CYBER Ankadifotsy
DadaRabe ( 04/09/2004 18:35)
Tsy ho saron-drahona
mandavan-taona akory
fa ny ngidy sy ny vaona
sy ny zavatra mahory

handositra ireny
tantara re no sisa
hangina tsy hiteny
ary tsy ho voatanisa

tantara kanto indray
sy kalo feno mamy
no ho eo mandrakizay
ka hitoetra hatrany

izay ary fa tahian'Atra é!

DdRb
Ryana ( 28/09/2004 05:09)
Dada ilay Rabe ê!
Marina moa!!
Ryana
Malita ( 23/04/2010 09:57)
Ryana< tena dadany e! zay le maha dada-Rabe azy hihihi
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152