You are here: home > Vetso

IZY INDRAY ANTSOINA ! - DadaRabe

Azo vakiana?

IZY INDRAY ANTSOINA !

Izy indray antsoina...

...Raha hitanao fa izy no afaka hampitony
Ny fahanginanao,
...Raha toa efa izy no felana mamony
Sy fahasambaranao.

...Raha tsapanao fa any ny volana baliaka
Mazava sy manjelatra,
Ka afaka ampihiratra ny endrikao sariaka,
Hiakaranao ny sehatra.

…Raha efa mino ianao fa izy no tianao
Mamin’ny fonao,
Ka izy indray no lasa ho “izao tontolo izao”,
Masoandrom-piainanao.

...Raha toa ka izay no sitrakao ry “tiana”,
Ry “efa tsy malalako”...
Aza miantso ahy intsony, veloma sy masina !
F’izaho hanohy ny lalako...

....Izy indray antsoina !

DadaRabe
Aix-en-Provence
5/08/04 13:47

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

Malalason (09/10/2006 09:43:52)

m'sôtra indrindra tompoko

cute (23/03/2007 09:16:34)

mahafinaritra ny kantonao!!

DadaRabe (17/06/2007 16:22:09)

Mandeha izany fotoana ! Efa ho telo taona sahady no nanoratako ity tononkalo.
DdRb

dadarabe (23/07/2009 19:03:31)

Efa dimy taona kay !

Jock (13/03/2015 05:34:39)

dadarabe o! Mbola ao ve ianao ? Efa ho 11 taona an ! Mahereza e!

Hametraka hevitra

Midira aloha