NY NOFINOFINAO (DadaRabe)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY NOFINOFINAO

Ny nofinofinao no entiko miaina
Sy entiko misedra ny andro be migaina
Ary ireo hariva mangitsy, mamanala…
Ekeko an-tsitrapo, lalaiko tsy an-kisala,
Ventesiko raha alina,
Any an-torimaso lalina.

Ny nofinofinao no lasa fitsinjovako
Ny androko ampitso… Ary fitsilovako
Ny haiziko mikitroka nezahiko hazava,
Mitantana ahy hitraka, fanilo mampisava,
Mpitondra ny maraina,
Mpamelombelona aina !

Ny nofinofinao no sisa nofinofiko,
Mampihiratra ny saiko, manafaka ny rofiko
Ka entiko miampita ny ho avy mistery
Fa ny ahy ireny nofiko, nisinda sy efa very…
Nalevin’ireo jaly,
Nindaosin’ny omaly !

DadaRabe
10/07/09 21 :01
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2547 2
Hevitra mandeha
pissoa ( 11/07/2009 18:14)
Miala satroka re DadaRabe e ! Kanto dia kanto tokoa.
dadarabe ( 11/07/2009 20:53)
Misaotra Pissoa à
Misy diso kely eo ambony fa dia ahitsio any an-tsaina fa tsy haiko ny manova azy eto.

"Migaina" no izy fa tsy "mingaina"

DdRb
dadarabe ( 11/07/2009 20:59)
HItako tampoka ilay fanitsiana azy etsy ambony kay ! :-)
pissoa ( 20/07/2009 13:57)
Hi hi, mahafinaritra ery ny mamaky tononkalo rehefa voakajikajy hatramin'ny isan'ny vanin-teny hi hi.
pissoa ( 20/07/2009 13:58)
Oops, vaninteny fa tsy vanin-teny.
dadarabe ( 20/07/2009 15:01)
Misaotra Pissoa.
Hitako ilay interview natao ho an'ny mpanoratra malaza Pissoa tao amin'ny http://poeta.webs.com/. tsara an !
Tohizo é!

Na heverinao fa maty aza ny afon'ny fanantenana,
Fa haizina no manoloana, tsy misy mety izay atao ;
Dia aza atao mampitomany, raiso toy ny fisedrana
Mamolavola anao hatrany, ka hanovozy hery vao.

Pissoa
(Aza kivy, Desambra 2006)
Zozoro ( 20/07/2009 17:01)
Tena mankasitraka . Mahafinaritra tokoa.

"Raha ho nofy ihany
...moa safidy ve izany ?
Sa tsy maintsy lalana ho diavina
ary koa tsy azo lavina ?...
dadarabe ( 20/07/2009 18:41)
Zozoro<

Ny nofy aza hadino
fa eo no miainga
raha toa ianao ka mino
"Hanidina", "hiainga" !

DdRb
Zozoro ( 20/07/2009 19:13)
MISY ny TSY MISY

Soa fa misy ny Nofy
Entina manorina
ary koa anamboarana
ny tsy azo ho takarina
Eny atsefakin'ny tiana
izay rariana sy iriana
vinavina ny " misy"
Novana misy ny tsy misy
Nefa an'eritra ihany
saingy ...Nofy...nefa mamy
dadarabe ( 20/07/2009 20:05)
Soa fa misy nofy
manafaka ny rofy
ahafahana mioty
voninkazo fotsy
voninkazo mena
miloko fandresena

DdRb
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01