Tarafiko (DadaRabe)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TARAFIKO

Tarafiko ao anatin’ny masonao mijery...
Ny ora fahasambarako,
Tavaniko eo anivon’ny feonao miteny...
Ny andro fahafahako.

Tsihifiko eny imolotrao manonona ny anarako ...
Ny loharano tiako,
Tsinjoviko amin’ny tsikinao manarona ny tavako...
Ny rotsy fatoriako.

Tadiaviko eny an-tratranao midoboka amponga...
Ny ngadona ao anatiko,
Ny hafanana avy aminao andrasako ho tonga...
No ainga am-panahiko.

Ianao irery no aiko
Sy hany mba lalaiko.

DadaRabe
La Charité
04/05/05 14:50
--------
Rohy:
1988 3
Mpakafy: DadaRabe - fafa - mangamaso
Hevitra mandeha
bichette ( 04/05/2005 14:32)
tsara dia tsara.
DadaRabe ( 15/05/2005 11:19)
miasoatra an'Bichette
DdRb
DadaRabe ( 15/05/2005 11:19)
"misaotra" mantsy é!
DdRb
doum ( 27/07/2005 19:04)
misaotra ry dadarabe a
mbola misy ve
za tena mbola mitady fona
tahaka le voamadilo e
vo midify defa mitady :-)
DadaRabe ( 01/08/2005 13:38)
Andraso ary é!
Ilay voamadilo koa efa masaka rahateo:-)
doum ( 02/08/2005 18:31)
ie
dia miandry ary aho a!
ao fa halefako ny adresseko handefasanao azy
moa raha sahirana hianao dia afaka alaiko nge , sady ny misy antsika tsy dia mifanalavitra ihany koa ;
eto akaiky ny misy anareo eto ihany aho, sady raha halefanao net soa tsaingohan'i Hery ao ilay voamadilo anjarako koa, sady he izan izy efa masaka :-) :-)
DadaRabe ( 03/08/2005 11:06)
Efa nifindra toerana aho taorian'ny novembre 2004 ka asa raha mbola akaiky anao ilay vaovao. :-)
DadaRabe@aol.com no adiresy mail-ko.
doum ( 19/09/2005 11:27)
Dadarabe a
miandry le tononkalo nge za io refa mba afaka mandefa azy enao e
dia misaotra mialoha indrindra
DadaRabe ( 20/09/2005 13:15)
ka aiza nefa ilay handefasako azy ry Doum?
DdRb
dadarabe ( 06/08/2009 00:09)
Ary nankaiza tokoa fa efa ho 4 taona izay i >Doum no tsy hita ;-)
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0122