izao orantsika izao - dadatsima
Azo vakiana?
izao orantsika izao
fotoana hamakianao
ity poety vao natao
no &ntsoina hoe izao.
misy any amin'izao
mandihy be sy mikorana.
Misy koa anefa ao
mangatsiaka tsy mafana.
misy olona mamono
misy olona mamelona
misy may efa voatono
fa fa voan'ny ambalavelona
misy tany mbola miady
ao koany vao mivady
nahazo zanaka ampara
fa misy koa efa soara
manary ainaanaty alina
anaty aizina efa lalina.
amin'izao ora izao
no miseho ny tantarako
mety koa ny anao
fa tsy fantako ny anjarako
ddatsima izao 2 mars 2014
Sokajy :
Ady, Aingam-panahy
Mombamomba
Mpanoratra : dadatsima

Nampiditra : dadatsima
Daty : 02/03/2014
Mpamangy : 900
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
ARAHABA TRATRY NY TAOLANAlasa
Ady lava
malagasy mankany
vita indray...
very aho ry volako
d' izao izany ahoana?
MILENTIKA ILAY SAMBO MAZANA
Mety mbola hisy ve?
TSY MISY LAZAINA