MILENTIKA ILAY SAMBO MAZANA (dadatsima)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa ho dila ihany angamba
efa niala ilay tetezana,
tsy mbola hita nihambahamba
ilay sambo gasy MAZANA.

Efa naverina ny valo
isa tsy ampy tamin'io
mbola tsy hita ilay kalo
fa gina matroka ny anio..

Efa navoaka ny voafonja
efa nalamina ny ady
nisy ihany anefa ny tsy tonga
Saho ireo nanipy ankady?

Ny vahoaka indreo milentika
ambava-tenda izao ny rano
raha kelikely dia rendrika,
inty no tena lasa angano....


09.06.2015

dadatsima
--------
Rohy:
929 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139