FIANGAVIANA FARANY (dafa)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FIANGAVIANA FARANY

Andro fahafito tsy nahitako anao izao ny andro androany
dia hiherina io rahampitso.
Fa anio ihany koa no alina fahafito handatsahako tomany
sy mbola hampitsonika ny vongan-dranomasoko.
O !! ny alahelo anao tsy tantiko....

Any ianao antratrany any,
fa izaho kosa eto sakaizana tomany.
Impiry nandondona tao an-tsaiko tao moa ny famohizam-po ?
Fa tsy novahako aloha.
Satria mbola manantena ny fiverenanao ny foko adaladala
mbola te hiantso anao malala ny molotro an-kiroa..

Adalanao tokoa e!!
izay angamba no hamitinana azy.
na hoe voasazy ny hitia anao antaranoana.??
Koa miverena ianao malala a!
Fa raha sanatria ka ho foana izao fanantenako izao
dia any ankoatra indray aho no hanohy hitia anao.

Dafa
16-02-2019
Bemasoandro Itaosy
--------
Rohy:
1217 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142