HO AVY - dafa
Angamba ora sisa no hisaina
dia hisaraka isika sy ianao.
O !! ry nofoko be taraina
modia ho vovoka ianao.
Ry fiainana antany tia hetraketraka,
mpisangy ny nofo malia.
Ity ny vatako izay efa reraka
alaivo ho anao ho doria.
Koa matesa ry nofo bakora
mandria , mandria mandrakizay.
ary ndehana fa tonga ny ora
modia ho vovoka indray.
...........
Indro fa tazako ilay lala-mahitsy
mankany amin'ilay fiainana lavi-tomany.
Tsy sitrako izao, kanefa iky !
sompatra loatra ny fiainana an-tany.
Koa veloma ry tany be alahelo
fa tsy ho namako intsony ianao.
Dia mba tsenatsenao aho ry RABEARIVELO
fa efa an-dalana ho any aminao.
Dafa
11/03/2019
Sokajy :
Fahafatesana
Mombamomba
Mpanoratra : dafa

Nampiditra : kiala.andria
Daty : 12/03/2019
Mpamangy : 531
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
handrikoMAMPANDRY TANY HOE ?
FIANGAVIANA FARANY
Reny lafatra
ny teto.......
any izao ianao........
nandalo teto......
soraty re ry peniko
"Tsy hitia intsony"
"meloka ve aho?"