MAMPANDRY TANY HOE ? - dafa
MAMPANDRY TANY HOE ?
"Miaramila maro, tsara hofana aok'izany
no halefako any atsimo mba hampandry tany.
Homena fitaovana, hovatsiana sakafo
fa handringana tanteraka ireo karazana malaso."
Nihoraka ny vahoaka, nibitaka ny ankizy.
ireo malaso kosa niforitra izaitsizy.
tsy nahasahy nikofoka, tsy nahasahy nanafika.
matahotra ny hifanehitra amin'ny zandary sy ny tafika ?
Niherina ny andro, tsy nisy tonga ihany.
nibitaka r'ilay tsy vanona raha vao naheno an'izany.
nanamboatra ketrika, nanamboatra koa paik'ady.
"Hanafika eny isika rahampitso alahady"
Nandefa fampandrenesana, nandefa taratasy.
"ho avy izahay rahampitso amin'ny kalaza sy ny basy"
nivoraka ny lohany, nihorohoro ny vahoaka.
toa tsy te hiaina intsony, te hirifatra, hitsoaka.
Tsy nisy sahy nanohitra, tsy nisy sahy nikofoka.
fa mody hoe nampatoriany tamin'ny alalan'ny fonika.
kanefa raha ny marina ? atody miady amin'ny vato.
Vahoaka tanam-polo no hanohitra malaso ?
......
Fa nankaiza ireo tafika lazaina ho tsara hofana ?
hoe hampandry tany aty ambanivolo?
fa eto izao ny dahalo mikidodo, milanonana
Omby sy saramba, haripany daholo..
Ny omby lasany any izao efa antapitrisa
ny saramba voaolany , efa tsy hita isa
ny eto helo foana fa tsy misy paradisa.
Fa ahoana ilay fampandriana tany e????
Toa fampandriana adrisa.....
Dafa
05-04-2019
Mombamomba
Mpanoratra : dafa

Nampiditra : kiala.andria
Daty : 05/04/2019
Mpamangy : 678
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
handrikoHO AVY
FIANGAVIANA FARANY
Reny lafatra
ny teto.......
any izao ianao........
nandalo teto......
soraty re ry peniko
"Tsy hitia intsony"
"meloka ve aho?"