ny teto....... (dafa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izao sy izao ny zava-nisy teto
rehefa lasa ianao..........
Nisy teto sento
dia nisy ihany koa tomany.
Izany rehetra izany no nanjakazaka teto.....
Nisy teto embona sy tsiaro anao mangiana.
Saingy ny tany tsy mba nievona
satria efa nananan'olon-tiana???
Nisy teto ranomaso nirotsaka ho anao
isan'ora,isa-minitra
sady tsy mba nety ritra.......
Nisy teto penina mbola vaovao
saingy efa lany ny ranomaintiny izao,
lany nanoratana sy nanofisana anao.......
Nisy teto kalo noventsoina ho anao
an-tsasatsasank'alina.
Eny, ilay kalon-tsika iny mihintsy no noventsoiko teto.
Saingy izao............
Angamba iny izao tsy tsaronao intsony
na ny feony aza.
Fa efa kalo hafa mihintsy no ventsoinao any
eny,angamba kalo nosoratan'ny tananao sy ny azy.
Fa ilay kalo nosoratan'ny tanako sy ny anao
mety efa hadinonao........
#Dafa (21/05/18)
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
985 1
Mpakafy: kiala.andria
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136