Manantena (David Andrianalaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manantena

Indray andro any hamiratra
Izay no mba hirahiraina
Nefa ity jaly miha-mitatra
Amin'iza no mba hitaraina

Raha tsy namiratra masoandro
Fa vonton-tomany ny tena
Nandrin'ny tontolo andro
Kanefa toa mbola manantena
Manantena fifaliana
Fiadanana sy herin-tsaina
Na dia mafy fiafiana
Herim-po tsy ho very maina

Diavolana mivetsovetso
Ny kintana mandrotsirotsy
Tsy hiato fa hiala eto
Amin'ity toerana efa ratsy

Ny vavaka no atao tohatra
Miandrandra fandresena
I Jesoa no atao ho ohatra
Tsy ho kivy fa manantena


David Andrianalaina
30 septembre 2021
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
422 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : David Andrianalaina
Nampiditra : David John Lee Andrianalaina
Daty : 02/10/2021 18:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142