You are here: home > Vetso

Ny ampitso - David Andrianalaina

Azo vakiana?

        Ny ampitso


Tsy anio ihany fa mbola hisy
Ny ampitson'ity fahakiviana
Eny, ity fiainana tsy mitsitsy
Mitraka raha misy fahalavoana

Ranomaso no handroana
Vain'afo no nitsahana
Rano mahery nidobohana
Niandrandra fanafahana

Sio-drivotra nanosika
Fahakiviana no namely
Tsy nitsahatra  nitraka
Miezaka ny hahery

Na maraina ny alina
Toa mitovy ihany ny aty
Isa-minitra sento lalina
Fa fanantenana tsy ho faty

Manantena ianao ry ampitso
Manantena anao ry Nahary
Hampiova alahelo ho vetso
Amin'ity feriko marary

Hitanondrika nefa tsy hampisava
Ireo haizin-kitroka ilalako
Manantena ny ampitso hanazava
Ireto alin'ny maraina miha halako



David Andrianalaina
11 octobre 2021

Sokajy : Ahiahy, Alahelo

Mombamomba

Mpanoratra : David Andrianalaina


Nampiditra : David John Lee Andrianalaina
Daty : 11/10/2021
Mpamangy : 214
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Alohan'ny handaozany.....
Ianao omaly..
Manantena