You are here: home > Vetso

Iny alina iny Alina miso - David John Lee Andrianalaina

Azo vakiana?

Iny alina iny

Alina misompatra
Nandratra ny fo
Tsisy nanohitra
Ilay fitia efa lo

Nahoana ianao
Niverina indray
Namerina ny lasa
Izay vita hatrizay

Iny tavanao iny
Ry Tiako malala
Mampatsiahy ny fahiny
Mahalasa adala

Tonga indray ity alina
Hamely ny foko torotoro
Izay tsy laitra anarina
Fa fitia mandoro


Lee Andrianalaina
18jona 2021

Sokajy : Alahelo

Mombamomba

Mpanoratra : David John Lee Andrianalaina

Nampiditra : David John Lee Andrianalaina
Daty : 13/07/2021
Mpamangy : 122
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Tsisy tsirony