You are here: home > Vetso

ILAY SAMBOKELINTSIKA. - Desirelyaime

Azo vakiana?

    ILAY SAMBOKELINTSIKA.

Tapa-kevitra isika
Hiara-hita an-tsambo lay
Tony botry mitsorika
Eny anivon-drano iray.
   Niara-dia nifampitantana
   Nanatona ny moron-drano
   Io no tena fisandratana
   Nahasolo ny tso-drano.
Dia nizotra izany dia
Nony niainga samy faly
Nifandray nifankatia
Tsy mba ory na nijaly .
   Nihomehy ,nikakakaka
   Nifampisangisangy koa
   Nifandray, nifampiz├áka
   Ny toetra ratsy sy ny soa.
Rano misamboaravoara
Indraindray zary tony
Io \'lay sarin\'ny tantaran\'
itony fiainantsika itony.
      TAMPOKA!!!!!!
   Indro teny anivon-drano
   Injay ny loza fa niantefa
   Ianao afa-nilomano
   Namonjy sambokely hafa
Tafio-drivotra mahery
Nanafotra ny vatantsika
Ireo fivoy indro very
Ny SAMBOKELY koa tsy hita.
   Izaho irery sisa niady
   Nanohitra ilay tafiotra
   Fa indro fefika sahady
   ILAY  SAMBOKELINTSIKA .
Rendrika aho ,niantsambotra  
Niantsoantso hoe\"vonjeo\"
Fa ny trondro no nisambotra
Namaly ny antso mitoreo.
   Rendrika aho ,nitomany
   Nitoloko samirery
   Tsy voatanisako izany
   Fa ataovy tsianjery.
Rano manga manjepizepy
Hany sisa mavamavana
Nangina sy nipepipepy
Namolivoly ny fon-kavana .

Tapaka fivoy teny anivon-drano    
ILAY SAMBOKELINTSIKA ry malala
Ka ny nofin-tokantrano
Zary nofy nanadala .
   Indro ianao irery sisa
   Nanohy ny fiainanao manokana
   Namerina namisavisa
   Fa nafoy Ikalatokana .
Kibon-trondro mankadiry
Rindrina manalasala
Io no trano mitahiry
Itony nofo mamanala .
   Nifarana eo izany dia
   Nefa  ombay ny fivavahana
   Ny hanadino sanatria
   Na dia misy fisarahana .

Nosoratana ny 12 -8 -2007.

Mombamomba

Mpanoratra : Desirelyaime

Nampiditra : desirelyaime
Daty : 13/09/2007
Mpamangy : 993
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Nahoana?
Tanindrazako