You are here: home > Vetso

Nahoana? - Desirelyaime

Azo vakiana?

Nahoana no toa mangina ny antsa ao anatinao
Fahoriana, fijaliana, ny antony mba lazao?
Mampandinika ahy fatratra ary mampametsovetso irery
Ny mahazo ity fireneko, mihamahantra, toa ho very.
    
    Nahoana  koa no mitomany , misentosento lava ianao
    Moa nilaozan'olon-tiana,sa navadiny tsotra izao?
    Tsia, tsia dia tokoa hoy aho, fa noho i Gasikarantsika
    Miharesy, mitotongana,rendrika ary tsy tafita

Nahoana ianao no mitanondrika, toa mikimpy ireto maso?
Mivavaka sa mandinika,sa manafin-dranomaso
Tsia, hoy aho aminao,fa noho ilay tanindrazantsika ihany
Very mondro very hasina, toa mirefarefa ambany.
    
     Nahoana ianao no misento, miantsoantso famonjena?
     Ny fijery miaka-midina, toa miandrandra fandresena
     Tsia , aoka izay ny manontany, aza tohizina intsony
      Fa i Gasikara ihany, no mampivadika ny fony
    

Sokajy : Tanindrazana

Hevitra mandeha

tsiambaratelo (02/07/2009 04:05:09)

Mivavaha hoany Nosintsika.Tsara lay vetsonao.

rijadolly (04/07/2009 07:54:22)

Tena tsara no sady mampiheritreritra anay mpandrendrika ity Firenena ity.Misaotra an'Desirelyaime aoka hisaina izay mahita fa tena misy tokoa ny olona miforitra anaty noho ny fitiavany ny Tanindrazany.Misaotra an'Tsiambaratelo koa fa nahatsapa koa aho fa tokony hisehoan'voninahitr'Andriamanitra ity Nosy ity fa tsy oh zao

benasy (06/07/2009 09:45:28)

Miarahaba an'ise Rijadolly, ela izany an!

Mombamomba

Mpanoratra : Desirelyaime

Nampiditra : desirelyaime
Daty : 29/06/2009
Mpamangy : 965
Mankafy : 2

Tononkalo hafa

Tanindrazako
ILAY SAMBOKELINTSIKA.