Tanindrazako (Desirelyaime)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tanindrazako malala
Mijaly ianao ankehitriny
Fa miady sy mifankahala
Ny gasy nifankatia fahiny

Tiako ny hisandratanao
Anio na rahampitso aza
Saingy ireo mpitantana ao
Mifandrafy sy mifandrava.

Ho tonga izao ny fetinao
Ilay fetim-pahafahana
Ny faniriako dieny izao
Hisy indray ny fihavanana


Tompo รด
Aniraho mpitondra mahatoky
Mahay mitantana sy marina
Ka ireo mijaly mba ho voky
Ny mahantra hotafarina.
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
1624 1
Hevitra mandeha
endrika01 ( 21/06/2009 10:19)
tsara be lay vetso!
enga anie ka ho tonga
saina ireo mpiady seza!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Desirelyaime
Nampiditra : desirelyaime
Daty : 19/06/2009 21:37
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116