You are here: home > Vetso

..Tavela.. - Djah Hco

Azo vakiana?

Toa tsy mampino raha dinihina,
Mahalasa saina hatramin'izao.
F'izaho sy ianao ilay nifamihina,
Noteren'ny fiainana hifandao.
-----
Faniriana ny ho sambatra,
Hiara-dia mandrakizay;
Fa isika roa tsy nahafantatra,
Hoe hosarahin'ny andro iray.
-----
Nilaozanao aho ka irery.
Rakotra aizina ny anjara.
Indrisy! ilay fitiavako mahery,
No nosomparan'ny tantara.
-----
Mba miezaka aho ny hanadino,
Fa toa tsy mety hatramin'izao.
Ny saiko koa tsy mety mino.
Tsy maty an-tsaiko ny endrikao.
-----
Fa lasa ianao tsy mba nampiomana;
Tsy nampandre fa hoe andao.
Mitomany aho, mila ho torana.
Matsiaro indray ilay tsikinao.
-----
Tavela irery aho ka tsy tafandry.
Tavela ka matsiaro very.
Navelanao ilay nodimandry.
Tavela aho ka tomany irery. KANEFA
-----
Indray andro aho tsy maintsy hitraka,
Ka hanadino ireo toloko.
Hijoro aho anorin-dapa,
Mba hampiononako ity foko.

Mombamomba

Mpanoratra : Djah Hco


Nampiditra : Djah Hco
Daty : 17/01/2018
Mpamangy : 752
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

..Ny lasako..
ILAY ANDRO TALATA
IO DADA IO
FA MBOLA NOFY
FITIA FILAFILA
LOLO BABO
RESY AHO
NY KANTO GASY