Izany elanelanin-tany - Djaw
Azo vakiana?
Mangina izay tsy izy ny tanàna,
Lasa maloka aoka izany ny manodidina,
Ny lanitra ity toa saroman-drahona
Rehefa tsy eo anilanao akia ry tiana.
Maro ny milaza fa lavitry ny maso lavitry ny fo !
Ny ahy kosa toa lasa tsy afaka an-doha, tsy afaka am-po.
Ary ireo sangisangy izay fanaontsika roa,
Vao maika mitamberimberina ao an-tsaiko koa.
Mahagaga marina ny fitiavan’olombelona !
Adiady tsy vita raha mifanakaiky toerana,
Kanefa rehefa tsy hitan’ny maso, any lavitra any,
Toa lasa mahamanina, tiana ho eo akaiky hatrany !
Eny, mafy marina ity elanelan-tany ity ka !
Satria mahavita izao mampisaraka antsika !
Nefa koa, mampitambatra, mampiray ao am-po,...
Ka manamafy orina ity fitiavantsika roa.
Sokajy :
Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : Djaw
Nampiditra : Djaw
Daty : 06/11/2017
Mpamangy : 1197
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
L’eau à la pluieMainty mira fotsy
Ho anao
Tsy ho lefy
Veloma rahavako !
Mba rahoviana ?...
A ton ange !...
Juste pour te dire que t'es belle !
Dada
Différence