Tsy ho lefy (Djaw)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Maro ny efa hita, tsy vitsy ny efa niainana ;
Nosotroina ny tantely, nigohana koa ny vahona ;
Nefa izany dia tsy nataoko hampihemotra,
Ny mitia dia tsy misy niteny ho mora na ho sarotra.

Marina fa ny lafatra tsy ho hita na oviana na oviana,
Fa izaho kosa tsy hiala anao na oviana na oviana ;
Ary ilay fitia izay natolotro ho anao dia tsy hiova loko,
Satria tena efa mifikitra sy lalim-paka ato am-poko.

Na maro koa izay mihaodihaody manodidina,
Dia ataoko toy ny tsy misy, avelako hanidina ;
Satria ny foko efa nofaritako, nasiako fefy ;
Manarona ilay fitia miavosa, tsy mety ho lefy.

Loharano izay miboiboika, izay tsy mety ho ritra ;
Fararano lava tsy misy farany, fiotazam-bokatra ;
Ity foko mamatsy fitia tsy ho lany, tsy misy fiafarany ;
Izay natokako, atokako ary hatokako ho anao irery ihany.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2090 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0122