"KOA HIVOLAN-DRAHA..." (Djio Z'art)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
''KOA HIVOLAN-DRAHA..."

ozinao hoeee...:

Za io te hivôlagna raha maro be...
kanefa sao halan'ny sasany avake.
ka aleoko afodiko foagna ny vavako
fa tsy tiako le atao hoe mikapokapoko.

Dia karan'ity ny hamaliako ananjy:

Ny marigna jiaby ony tsy mbô filaza
fa fidifidigna ny aboakan'ny vava.
kanefa ndraiky izy koa gigny loatra
kara tsy mety ka aleo ihany avoaka.

Mialohan'ny hivolagna anefa dia izao
dinidiniho sy fakafakao.
Misy ohabolagna mipetraka efa ela
dia ilay hoe: havadibadio impito aloha ny lela.

indraiky io teny io mety misy mandratra.
koragna tsy heritreretinao aby fa mety misy tsy mahazaka.
ka noho izagny aleo ihany mitandrigna.
sao sagnatrian'ny vava ka ho vaky handrigna

Ö nagnino ô? ...nivôlan-draha marigny
satria atsika io misy sarotro hanarigny.
volagnin'olo hely, ahitsy amin'ny natao
dia vava be no valiny azonao avy akao.

Fehiny:

koa hivolan-draha aleo mandinika ihany
fa tsy haintaigna ny vokan'izagny.
raha efa tafavoaka dia sarotra aherigna
tsy nandinika kely dia hilatsahan'ny negnina

Hoy i DJIO Z'ART
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
385 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Djio Z'art
Nampiditra : bemazava.florentin
Daty : 28/11/2021 16:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0372