Nofiso... (Dogme Razafy)

(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nofiso ange!
Topimaso adala, maherihery sangy
Te hitantara teny, miantsy milalao
An'hovitro ny fo, bita-tsy tafandry
Nofiso ange ! Nofiso hoe tiako ianao !

Nofiso ange!
Elakelan-trano hifampitaovan-tsika
Oroka sy sangy feno homehinao
An'eritreritra hoe: ny mitia tsy ditra
Nofiso ange! Nofiso hoe tiako ianao!

Nofiso ange!
Tononkalontsika toa sary hosodoko
Hafatra miafina milaza izao sy izao
An'aingan'ny fanahy toy ny aty foko.
Nofiso ange ! Nofiso hoe tiako ianao.

Dia nofiso koa,
Zanatsika roa alikalika kely...
Sahalahala amiko, mitovy aminao
Tan-paradisantsika, nofo fa anjely.
Nofiso ange ! Nofiso hoe tiako anao.

26 Oktobra 2022
--------
Rohy: https://vetso.serasera.org/tonokalo/dogme-razafy/nofiso
157 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Dogme Razafy
Nampiditra : dogme
Daty : 22/01/2023 07:58
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.2508