TSY METY (Doloïer )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY METY

Rarako tsy hijery anao intsony ny masoko
Kanefa tsy mety fa mangala-pijery
Akimpiko mafy, dia hifafa ny lasako
Hay, tsy voafafako akory, fa mody miery...!

Tampenako tsy handre anao intsony ny sofiko
Kanefa tsy mitsaha-mitongilana
Zary manaitra ahy, any antsahan'ny nofiko
Hay, ny lasantsika iny tsy azoko hiodivirana..?

Notereko tsy hitem-po aminao intsony ny foko
Kanefa tsy mety, fa Indre mitroatra
hay, mbola mankamamy anao antsokosoko.
Namadika pejy, fa ny boky tsy nisoatra (soloana)

Tsy mety... Tsy mety.
Fa mbola mankamamy ny sombisombiny sisa tsy lany
tamin'ny fitiavany Ianao ..Izy.

Doloïer
09/04/2018
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana - Fitiavana
984 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135