Asa izany ... tsikintsika. (DotMG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsikitsikiko hoy ianao, voninkazo manimanitra
Nahatonga anao hihira, sy ho tia ny voninkazo
Toy ny vorona misioka raha misidina eny an-danitra...
Voninkazom-pifaliana, tsara kolo, tsy halazo.

Raha mahazo koa ny hafa, aoka ianao tsy ho saro-piaro
Tsiky ireny ka zaraina, hanafenan-tsaina reraka.
Ilay omeko anao kanefa, hafa mihitsy, tsy afangaro :
Tsikim-po maniry ho tiana, mba hotiavinao tanteraka.

Amin'ny hafa any aho mitsiky, ary avy eo toa afa-jaly,
Nefa kosa aho aminao, mitsikitsiky f'efa faly
Raha mahita anao mitia, mainka dibo-kafaliana.

Tsy ny feoko re no manga, tsy ny masoko no bary
Fa fitia no tafahaona, ka midera ilay Nahary
Mivetso isika roa satria ... tafaray ny tia sy tiana.

DotMG, 12 febroary 2014.
Setrin'ny tononkalon'i Dox "Asa izany ..." sy "Ny tsikitsikinao".
--------
Rohy:
Sokajy : Fifaliana - Fitiavana
1419 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137