Fisaorana - DotMG
Azo vakiana?
Fahoriana mafy ny anay toa tsy ho zaka
Namoy ilay malala, nilaozan'havan-tiana
Soa 'nareo fa teo, nijoro nampitraka
Hisinda ny alahelo, ho resy ny hakiviana.
Indreo somebiseby, ianareo rehetra
Nidodododo maro, dia tonga nampahery
Nampionona tokoa, fa tsy hoe nanao tsetsetra
Dia niaraka nisento, tsy hamela anay ho irery.
Ny mpiaraka manompo, isika mpiara-miasa,
'Nareo mpiray tanàna, ny tapaka sy namana
Ry havana rehetra: nataonareo lahasa,
Ny fanefana adidy, ho mari-pihavanana.
Raha ny voninahitra, naterin'ny isam-bohitra,
Dia feno, tafahoatra, ka sitraka sy tiana;
Angamba hitsiriritra, ny avy eo Ambohitsorohitra,
Fa tena heni-kaja, 'zahay fianakaviana.
Dia tsara levenana tokoa anie ny maty
Fa tena be mpanotrona, tsy antonona fiangonana
Raha ny hamaroanareo no hoe arantiranty
Angamba i Behoririka ho velom-pialonana.
Ireo tsy tratry ny antso, ialàna tsiny indrindra,
Raha mbola dibo-drano ny maso sy ny saina,
Fa tsy ampy sy tsy feno, ny fombanay nandrindra
Ny adidy tampotampoka izay tokony ho nefaina.
Ho famaranan-teny dia izao no vavakay:
Ny ratsy rehetra anie, mba ho lasana amin'izay
Onera be izay laninareo noho ny aminay,
Hifanaterantsika izay soa sy tsara indray.
Misaotra indrindra tompoko, fa mionona izahay.
Mombamomba
Mpanoratra : DotMG
Nampiditra : DotMGDaty : 14/10/2013
Mpamangy : 2341
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
IVO SOA AN'NY FIAINAKOOhabolana fahafito
Aza miandry ho masina!
Lafo vidy ny litera
Lozako
Alika manaikitra
Miarahaba an'ilay tafiditra
Tana
Asa izany ... tsikintsika.
Hafahafa koa...