Hafahafa koa... (DotMG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hafahafa,
Hafahafa ity resaka hambara, sy izay ao an-tsaiko rehetra,
Fa Rakoto no hifoka sigara, dia ny mpanao cendrier no mandoa ny hetra.
Hantatiana no mamoaka hira, i Momota no mi-kopi-kolé
DotMG no manao FB, dia ny Cyber no mandoa Frais.

Hafahafa,
Toy ny katsaka anaty lapoaly, ny vahoaka lehibe sy ny bitika,
Samy miaritra ny afon-kitay, dia izay tsy mahatanty mipitika.
Fa matetika aloha ny madinika no dorana mafy kokoa,
Ny karàna no mpanao numéro, dia omàny ny maizina roa.

Hafahafa,
Kolikolin'ny fifamoivoizana, nahitana vahaolana tsotra
Fa alefa hovonoin'ny dahalo, ireo prà mbola tratra manotra.
Azafady, hamono dahalo, ilay fijeriko koa nitanila
Hay ireo moa prà ikoizana, hanatratra an-dry Remenabila.

Hafahafa,
Ny tany no ihodinan'ny volana, ranomasina no hitopatopa,
Ny andramena tsy misy vahaolana, hogadraina izay tratra manompa.
Ka raha sambo avy ary Liberia, mahazo miditra ianao ry Ebola
Fa raha avy any South Africa, zava-doza ny Dadan'ialahy.

Hafahafa,
Fa Iarivo tafiham-balala, Tamatavy irotsahan'ny sahona,
Ny Ebola izao no vay hanadala, mandondona amin'ny port, mandrahona.
Ny aizim-pito dia delestazy, moa ny rano mivadika ra...
Ranom-potaka leisy ny an'azy, no akoriana ao an-tranon'ialahy.

Hafahafa,
Izay biby tsy matin'aretina, angalarin'ireo olon-dratsy
Hena simba sy voapentimpentina, no hamidy amin'ialahy atsy ho atsy.
Ny fako miavosa aok'izany, hiantso moka sy lalitra koa
Kelikely hanavandra ny tany, ny lahimatoa dia ho faty avokoa.

Hafahafa,
Ny AirMad no annexe B, dia Iarivo no zarazaraina,
Disjoncteur no hoe tsy nandeha, dia ny mpiasa no toa be taraina,
Fanadihadiana no atao, dia hitokona mandra-maraina
Fa angaha tsy matoky mpitsara, ka matahotra sao hogadraina?

Hafahafa,
Ilay malazan'ny hoe tany am-pita fa tsy mba mitondra voan-dàlana
Ny eto an-toerana iaraha-mahita, fa ekipan'ireo mpihalangalana.
Afrobasketin'ny Gasy, fandresena toa nisesisesy,
Kanefa 5eme place, fa tao amin'ny quart no resy.

Hafahafa,
Ohatr'i Donto manao tononkalo, ny inspiraka toa mba ho bien,
Kanefany avy eo dia mimalo, manahy ny article 20.
Tonena ny fo misendaotra, auto-censure no ampiharina,
Aleo tsy miteny be loatra, toy izay hanambara ny marina.

DotMG, 28 aogositra 2014.
(Inspiraka niainga avy amin'ny hira Hafahafa an'i Gangstabab)
--------
Rohy:
2514 1
Hevitra mandeha
nannie ( 30/08/2014 07:53)
Tiiiiako be !
isera ( 02/09/2014 16:40)
hafahafa
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01