Ise kay maty 2 (DotMG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izaho anie rankizy, indrisy manirery
Fa lany ity ny atokona, ny lalana efa tery
Mantsy ilay fanahy tsy nahaleo ny hery
Ka tsinontsinona aho, nanjary olom-bery.

Ny zavatra mitranga, toa mahakamokamo
Tsy faly intsony any aho, fa tsy afaka hamohamo
Ireo mba nitokisako, toa dokotera mamo
K'hivadika finoana aho, hanandrana silamo.

Angamba ny andriamanitro, tsy nomba ahy mihitsy
F'aleony nanatavy antokon'olom-bitsy
Endrey voasongona aho, an-dalam-be mahitsy
Ampahitany faisana, fa izy angaha mitsitsy?

Fa tsy nampoiziko aza, ny hoe tsy tian'ny pokona
Tsy tao an-tsaiko akory, ity fiarako hitambokona
Ny làlana indro tery, dia lany koa ny hatokona
Ny tanjaka tsy misy, ny hozatra tsy bokona.

Fa ny finoako ve, no rediredy imolotra,
Sa kosa ilay tompoiko, efa voavidin-tsolotra?
Sao ireo fahavalo, no mahatolotolotra
Na koa ny mpiara-dia, no niala toa tsipolotra?

Matahotra aho rankizy, injao mihorohoro
Mangovitra lohalika, ka tsy afaka hijoro
Ireo fanantenako, toa rava sy nikoro
Resy aho, eny, vizana, indrisy ho torotoro.

Tsy afaka hamohamo aho, tsy Dada faly intsony
Fa tena malahelo, ka romotra Demony
Feno ny kapoakako, tsy ho haiko ny hitony
Fa ianareo rehetra, mampisy lonilony.

Ny laza sy ny satako, indrisy nitotongana
Ny fahefako e very, fa fanjakana niongana
Ny harena nangalariko, akaikin'ny efa ho fongana
Dia tsy afa-mihetsika aho, tsisy aina: sary vongana.

Toa hery very maina, izay herim-poko lany
Fa tsy mandaitra intsony, ilay mino fotsiny ihany.
Ny vola mba nafafiko, dia raraka ao an-tany
Kanefa maty maso: tsy haniry intsony izany.

Izany mbola hody, dia nofinofy sisa
Fa taona no hisaina, hoy ilay tsy mahay manisa
Ny fahavalo anefa, misanta-paradisa
Hery tsy ho voatohitra, tsy ho azo ilàna kisa.

DotMG, 02 janoary 2014
--------
Rohy:
Sokajy : vazivazy - Politika
1824 1
Hevitra mandeha
DotMG ( 02/01/2014 11:08)
Ny fizaràna voalohany: http://vetso.serasera.org/tononkalo/dotmg/ise-kay-maty
liber_t ( 03/01/2014 08:24)
ATOKOY NY VATO

‘Raha vola na harena, na inona no lany
Raha mbola tsy ny kiry, tsy olantsika izany
Ilay fanantenana no tano foana hatrany
Dia, koa, tovano asa ilay mino fotsiny ihany

Fa n’inona miseho, na inona hitranga
Totofy fitsikiana ‘zay isam-bato banga
Ny toky tsy ho faty no aleo arangaranga
Dia ho hitanao sahady ny lanitrao ho manga

Raha toa marary I Dada fa mety lany vola
Odio tsy hita akory f'ianao ve 'zao dia tola?
Ihorirano fotsiny ‘zay tifi-mahasola
Fa teny an-taom-baovao no ataovinao miangola

Fa mandra-piandry izay fifosa an-teniteny,
Tolory safosafo tsy hisendaotra I Neny
Tohano lagilasy hatreny an-tratrany eny
Dia ho hitanao fa mofo dibera no homeny

Hanampiko an’izay dia ‘ty lazaiko anao
Ny dimy taona ho avy, omany dieny izao,
Ny vato no atokoy raha vonona hilalao
Fa mbola hahay misinda ny orana mitraho

Izay fa mahereza
Mandrafitra sahady izay ho tongo-tseza!

Ny R. FIDIMANANTSOA
02/01/2014
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101