Lozako - DotMG
Lozako,
Fa nafoiko an-tsitrapo ho an'i Voahangy ny kitozako
"Fafiny":
Io no nandrandraina ho azo dia nomena hotsentsafiny;
Fa hono;
I Voahangy hoe no mahavoa, raha hitsentsitra, hinono.
Indrisy...
Notsakoiny toa mangahazo, saika ringana tsy nisy.
Lozako,
Noheveriko ho makamba no hasoloko ny fozako
Oainina,
Hay vao mainka trondro lo, fa tsy akory nohamainina.
Fanina,
Fa nomeny ireo sinoa, ilay mba hena soa nahamanina
Niesona,
Amin'ny herintaona angamba, izay vao vonona handray lesona.
Lozako,
Fa navelako izy handrava irony trano tafo-bozako,
"Mararia!"
Hoy ny latsan'ny rafozako, "manorena hafa arĂ½!
Ny vava,
No akombony dia Assis, f'aza be taraina lava."
Toa Gasy
Tsy mahalala mananasy, ny mety angamba hiova lasy.
DotMG
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : DotMG
Nampiditra : DotMGDaty : 01/07/2016
Mpamangy : 991
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Lafo vidy ny literaAlika manaikitra
Miarahaba an'ilay tafiditra
Tana
Asa izany ... tsikintsika.
Hafahafa koa...
Ompa tsy mahafaty
Heloka ibabohana.
Ise kay maty 2
When the rain begins to fall.