Makamba (DotMG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indrisy ry Gasy, fa vahoaka jamba
Ireo tsy tia foza, mirevy makamba
Ny fenitra arahiny no tsy mitovy
Fa ny ankoatra izay dia ity no tsarovy:

Na krevety io na patsa na foza
Tsy misy hantenaina: atambo sy loza
Handrodana ianao dia hametraka an'iza
Handeha hotantanan'ilay mamaliza?

Ny lohan'ireny dia feno ny lotony
Ny mpanohana azy no asafotofotony
Ny hevitr'ireny fisainan'alika
Izaho hatry ny ela no efa alerizika

Tsofiko rano ary ingahy raha hitolona
Mahavità soa, raha hitaona ny olona
Fa raha izaho no antenaina ho namana:
Pilato efa ela no nanasa tànana.

Atody aho ry nama, tsy hiady amam-bato
Tsy hihetsika mihitsy aho aloha ato ho ato
Tsy nandra aho tsy akory ka hanary lamba
Hanala ny voay dia hanosoka mamba.

Fa mandra-pijoron'izay tena izy
ka azo antenaina hamaha ny krizy
Aleo aho hijanona ihany ho mpitazana
Sy ho isan'izay tsy mba tia tanindrazana.

DotMG, 26 jona 2013.
Setrin'ny tononkalon'i raozigasy : http://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/elabe-rangahy-
--------
Rohy:
1077 0
Hevitra mandeha
raozigasy ( 26/06/2013 14:51)
Na patsa na foza , krevety makamba
Izao no lazaiko anao tsy mihamba
Ny habeny fotsiny no tsy mitovy
Fa ny ao anatiny dia poak’aty sy ovy

Ary raha vao hantonina kely aza izy
Dia misitisity izay tsy izy
Mihevitra azy ho tena favori
Kanefa tsy misy olona iray izay mba tia

Ka dia aleo dia hihatahana lavitra
Aza manakaiky azy akory sao ianao ndray tsy avotra
Aleo mikisakakisaka mba tsy ho diso
Sady ny fofon’ireny anie ka masiso

Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148