You are here: home > Vetso

Raha tsy eo anilanao - doum

Azo vakiana?

Amin'ny ora tsy hahitako anao no tena hahatsapako
fa tiako ny eo anilanao
Eo no mahasesehena ny fanirina tsy hay fefena
ao am-po torovan-tsentoko
Eo no mahababangona, maha hay sy maha foana
an'izao tontolo izao
Eo no tena hahatsiarovako fa ny fo torovan-drovako
mikalo ny anaranao,
ka na lavitra na akaiky ny fotsika nifanaiky
mitempo miaraka hatrany

Sokajy : FITIAVANA

Hevitra mandeha

nyeja (03/08/2005 13:17:34)

hmmm tsara ilay tononkalo e tohizo ny fanoratana fa mety mahavita zavatra tsara ianao e
ny eja namanao

doum (03/08/2005 17:56:29)

slt toi,
oka re ry Nyeja, menatra aho!!!!
sendra mba nety zan io e
fa tena tsy mahay mihitsy aho e.
Ilay talenta no tsisy fa ny hetaheta tena ao dia ao e, :-) :-)
an an nefa refa manana anareo tena "matihanina" dia efa zava-dehibe ho anay mpamaky fa mamporisika hatrany

DadaRabe (03/04/2008 21:39:17)

MAhafinaritra doum à!
DadaRabe

Mombamomba

Mpanoratra : doum

Nampiditra : doum
Daty : 26/07/2004
Mpamangy : 919
Mankafy : 1