Anoloan'ny sarinao (Dox)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Anoloan'ny sarinao…

Ireo endrikao domohina nahataitra ny fitiavako,
nirariako hifantoka amiko hitarafan’ny fanahy
nefa kosa asa loatra fa nahodinao ny tavako
ary angamba na oviana tsy ho hitako ho ahy…

Ireo maso ireo indrindra amin’ny sarinao’zay mamiko,
ao anaty fitsikiany, ao anaty fifaliany,
ao anaty hatsarany indro toa mitopy amiko,
toa manaraka ahy hatrany, toa manana iriny…

Abaliakan’ny fitia ka mandrendrika fanahy
ireo maso ireo eto, tsy azonao ahodina ahy.
Ny sary mantsy dia mijery izay mijery azy koa.

N’iza n’iza anefa any nanamboaranao mangina
‘ty fijery be fitia toa manjohy nofy tiana
dia tsy ahoako akory, maka ho ahy aho aloha!



DOX

Dindona Fitia Tk. 19
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
8356 4
Hevitra mandeha
kabatritra ( 28/08/2005 15:11)
Asa raha tokony hosarahana amin'ny asa-soratry ny vao miana-mandeha ny an'ireo matihanina ngezalahy toa an'i Dox. Raha homeko isa 5 ity dia ho sanatria ve hitovy lanja amin'ny an'ireo vao miana-mandeha nahazo isa 5 ? Tsia !
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Dox
Nampiditra : Ikalamira
Daty : 19/08/2005 10:44
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101