ASA IZANY... (Dox)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ASA IZANY

Ny masonao no itiavako iny abakabaka iny
Sa ny masonao no tiako dia ny abakaba-manga !
Asa izany fa ny foko dia mihira ny hafaliana
Anoloan'ny masonao sy ny lanitra mitranga.

Ny tsikinao no itiavako ny fivelaran'ny voninkazo
Sa ny molotrao no tiako dia ny voninkazo ihany !
Asa izany fa ny foko tsy mitsahatra ny mivazo
Anoloan'ny tsikinao sy ny voninkazo hatrany.

Tia ny vorona mihira aho fa nandre anao nikalo
Sa ny vorona mikalo no iventesako anao mandalo
Nitondra hira tamin'ny fiainako
Nangina hira an-taona maro!

Asa izany fa izao no hany zavatra tsaroako
Hatramin'ny niarahantsika dia mientana ny foko
Ka mivetso ny fitiavana

Ny antony...fantaro.

DOX
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
11785 5
Hevitra mandeha
benasy ( 09/05/2009 06:16)
Tsy ny tontolo ihany, fa ny fanahy koa nolokoiny ho ilay kanto indrindra ...!
salema ( 30/04/2010 05:36)
hafa tokoa i dox an ao anatin ny maso tokoa no misy hery iray miafina tsy hay tantaraina milaza zvt maro
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Dox
Nampiditra : Zozoro
Daty : 08/05/2009 19:14
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106