You are here: home > Vetso

TSY HODINGANINA NY MATY - Dox

Azo vakiana?

TSY HODINGANINA NY MATY…



Hotapahintsika tohy amintsika ve ny maty
Fa variana miaina isika ? Tsia fa tsapantsika anaty
Ny fitohizantsika aminy…sady isika taizany aza,
Novolainy fahavelona, notezainy fahazaza !


Na ny maty na ny velona, mpianakavy iray ihany !
Mbola homba antsika ihany ireo efa nody tany,
Misy trosantsika aminy, nefa izany dia ho efaina
Amin’ny taranatsika : izay no fitohizan’aina !


Nanaovan-dalana isika ka tsy maintsy hanao lalana !
Nananganana tanàna ka tsy hahazo hialangalana,
Namelana fahendrena ka tsy maintsy hamela hafatra,


Mba ho anatry ny velona, ireo maty dia miteny
Moa avela ho faty maso, sanatria, ny fahendreny ?
Tsy hodinganina ny maty amin’ny tohatoha-miakatra



DOX

Folihala. Tak. 195

Hevitra mandeha

rovarias (11/04/2008 15:41:44)

tena zany tokoa!samy mbola ho any daholo isika ka samia manao ny tsra ê!

Rajordri (15/01/2010 10:33:01)

Fanontaniana roa no apetrak'i Dox:hotapahantsika tohy amintsika ve ny maty fa variana miaina isika? moa avela ho maty maso sanatria ny fahendreny? Dia hoy aho hoe: ny tery setran'ny tantara izay namono ny taranaka dia hofehezin-tsy hikomy, fa ny tena fahendrena no asandrato ho lavorary-

Hametraka hevitra

Midira aloha