Gitara (edmond randrianandrasana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry gitara
,vakan-kira ianao
na koa ram-pon'ny mpilalao azy
Ianao tsy naneno
raha tsy teo ny onjan'ny foko
Ianao tsy lalaoviko
ami-naotin-kiran'ny tany fotsiny
Fa entiko toy ela-nofy
Asidim-po very fitoniana

Ry gitara,
Tsara hafina va ny any am-poko
Ka tsy mahita akory
ny tena antom-pisinao
Eto amin'ireto rantsana
izay valanin'ny nofim-po?

Fo va no Antony sa
fanirian-kira kamboty?

Ry gitara,
ry rivo-pon'ny hirako
ry taolan-dranjon'ny fitoniana
ry divaim-pon'ny mpahay azy
bitsibitsio amiko
izay tena dikan'fiteniny
Izao feonao manontany fitoniana
any am-pon'ny tendrombohitra
Izao feonao
Ao ivelan'ny tavoahangin-divain'ny fiainana!

Edmond rand
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1016 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01