Iza no mampihira azy? (edmond randrianandrasana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nofinofin'iza sa singan-draozy mitomany
ao amin'ny efitr'ilan'ny alim-boninkazo
hanjakan'ny kintana arivon'ny maty?
Iny misy lokanga avy any,vita avy amin'ny
tahon-kazo madinika tsy fantatra anarana.
ary iza no hitaty azy amin'ireto eto amin'ny
saha votendry
iza no hametraka ny vatany malama
Toy ny lalan-tsara mihoso-tsavoka
Eny an-dolohan'ny rantsana tapaka?
O!Ireny fa mandositra ny ravinkazo
atsipin'ny rivotra eo en-tokontanin'ny
maty rehetra mikotaba any an-trano
Ary iza no voatendry hihira amin'ireo ao ivelany?
Lokanga,vita avy amin'ny tahon-kazo madinika
tsy fantatra anarana.
Misy zava-maitso malahelo afeniny ve
ao ambadiky ny zaridainan'ny alina.
Izay manontany ny iray tanimboly:AIZA ILAY
SAKAIZA NAHAFOY NY NIANDOHANY?
Io izy! hoy ny feo sy tononkira valaky ny rehetra eo
an-jaridaina
Io izy,Variana mikaroka ilay mpitarikirany
eo amin'ny saham-panday nahaverezany..

Edmond randrianandrasana
11 novambra 2016
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - Aingam-panahy
880 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0172