Manan-drahalahy ve ny nofy? (edmond randrianandrasana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ity avy nianatra tany an'ala
Fotsy volo,mivimbina ny bokim-pianarany ankiroa ho ahy sy ny zanako mbola matory
Ary izaho vao avy naheno feon'akoholahy nifanenjika tamin'ny kintana,
Sy vao avy nanokatra ny varavaran-keliko,ka maka fy ireny dihim-boninkazo tanora ao amin'ny fiadanany,toa te hiampita sy hanafotra ny takan'ny maso rehetran'ny maraina.

Tsy mbola taitra ny zanako
Ary tsy tazako akory ny nanipazan'ilay mpiavy ny bokiny vonon-kovinaky
Teo am-pandrianako mbola mando hatramin'ny alina.
Ary hoy aho raha mamerina mamaky ny bokiko rehetra,amin'ny teny manginany mameno ny efitranoko hoe: "tsy tadidinareo ve ity boky tsy misy afa tsy lohateniny sy ity iray efa bobongolo ohatry ny anaranareo?"
Eny hoy ny bitsibitsiny amiko
'Mampahatsiahy ny kalokalo nandanian'i dadabe ny andro sisany omaly ny fahanterany,izay mbola mialona ny volon-janakao'
Ny iray voalohany misy penina tanora,ny iray hafa misy solomaso vaovao sy ilay kilalao nampanofinofy ny zanakao omaly
Raha manokatra azy ianao
O!soa fa mbola matory ny zanako

Edmond randrianandrasana
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - Aingam-panahy
854 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097