Ny hiranao (edmond randrianandrasana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izay avy any amin'ny fo torotoro
Ny feony dia tsy inona fa:
ako nionona tamin-drivotra
rehefa avy novizanin'ny fo manin-javatra
teo amin'ny lalan-tsarotry ny tanjony.
toy ny voron-kely nikopak'elatra
ho eny amin-dreniny nitomany azy
teny an-tampon'ny lanitra avo indrindra
nafoin'ny maty iza?

Ary na ianao izay natao ho tompony aza
Dia ho gaga raha lazaina fa:
Ianao dia mpanontany tanjom-po
mampionon-tena eo ambony ravinkazo
mihararetra tsy fantatra

Any,
nanjavona tao amin-drivotra
any am-para lalin'ny fonjam-peom-batokely ianao
no mitoreo amin-kintana
ny voninkazon'ny tany rehetra
Ka tsy mba hahare anao ireny
Hany ka hoy ny lohatenin'ilay tononkirany
Izay hira rehetra ao ambokin'ny fanirianao
nofinofy.

Edmond rand
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - Aingam-panahy
901 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135