Aloka - EMI RAOELISON
Azo vakiana?
Lalina tsy misy farany
Ny eritreritra mandeha
Fantarina alaina ho namana
Tsy takatra tsy voafehy
Ivelany no amboarina
Tefena mba tsy ampihomehy
Anatiny saro-tsitranina
Nanova ny hatsara-tarehy
Nieritreritra irery
Tsy nizara fa voarara
Nijaly saina sy niery
Nihazona ilay tsy ho tana
Tsy tiana anefa nihafina
Holana saro-bahana
Ahodina dia mody arina
Miverina tsy hay rarana
Nositon’i tory anefa
Io ao hiany ilay tsy ho tana
Aloka toa fetsifetsy
Mitady anakona hafanana
SORATRY Mi Raoelison
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : EMI RAOELISON
Nampiditra : emiDaty : 28/02/2005
Mpamangy : 565
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Ry tanikoMadagasikara
T a h o t r a
Sendra !
Koloiko
Voro-kely
Feo
Tompo o !
Vavaka
Mangirifiry