Koloiko (EMI RAOELISON)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ty tono-kaloko no hirako
Famborahako ny ventsoko
Ventsoiko ho tonga tono-kira
Hiraiko tsy ho lasa sento
Ty soratro voafantina
Tena vokatry ny fo
Tsy ambo ary tsy nindramina
Fa asa sy ny tao andoa
Faly aho manorantsoratra
Malahelo toa izany koa
Ilay ratrako nihova ho olatra
Ny soratro no mahasoa
Namako tsy mety miala
Ny soratro zay maha adala
Tonga ho azy tsy antsoina
Misosa tsisy akamona
Ao anaty torimaso
Io ilay soratro mivazo
Maraina vao mangira-ndratsy
Mamangy ahy mitondra vatsy
Sendra malahelo aho
Kalo no tsiambara-telo
Voazarako aminy avokoa
Soratra fa mahasoa
Mpamangivangy ahy matetika
Ny soratro ilay any namako
Malalako tsy miova hevitra
Azoko antoka ho voatanako


SORATRY MI Raoelison
--------
Rohy:
1024 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : EMI RAOELISON
Nampiditra : emi
Daty : 28/02/2005 15:25
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142