You are here: home > Vetso

Taona - EMI RAOELISON

Azo vakiana?


Fa ny taona no nanova
Mampisokatra ny loha
Mampivotra nanovozana
Manasitrana ny fo

Ilay taona hiany koa
Izay mandalo dia toa lasa
Nitelina ilay taloha
Namadika ny pejy ho hafa

Taona maro no nahitana
Tao ny ratsy tao ny soa
Tsiaro ny fahazazana
Tadidy tsy maty ao an-doha

Ny tao-ndasa, hoe tsy tsarona
Diso izany, sy teny hiany
Hezahina ny anadinoina
Handosirana fa tamy

Ny taona hiany koa anefa
No nandritra ilay tomany
Nandalo hiany dia nilefa
Ireo tsiaro tamizany

Taona n’ilay taona adala
Fahatsiarovana niserana
Taona n’ilay hatanorana
Tadidy ami-fahanterana

Ny taona maro nodiavina
Nianarana namindra
Tao ny soa tsy azo lavina
Dia ny ankohonako tiko indrindra


SORATRY  EMi  Raoelison

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : EMI RAOELISON

Nampiditra : emi
Daty : 28/02/2005
Mpamangy : 454
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Ry taniko
Madagasikara
T a h o t r a
Sendra !
Koloiko
Voro-kely
Aloka
Feo
Tompo o !
Vavaka