You are here: home > Vetso

Tompo o ! - EMI RAOELISON

Azo vakiana?

Tompo o !
Ra ho tonga ny fotona
Tsy maintsy hiaonako aminao
Tiko aho ra- tsy hisaonana
Mamiko ny akaikinao
Ka ny fangatahana ataoko
Averiko isan’andro izao
Ireo taranako any heriko
Apetrako ho eo antananao
Tompo o ! ampianaro
Izy ireo hihaino anao
Ampianaro fahendrena
Tsy ho solafaka tsy hivena
Mba tafio fahaiza-miaina
Ahay hilefitra hisaina
Mba ahay hanetry tena
Azahony famonjena
Tompo o !mba arovy
Ireo taranako tsarovy
Omeo ilay famelanao heloka
Ho voavonjy tsy ho rendrika
Deraiko ianao ry Tompo
Ami-voninahitrao
Ity aho mitoloko
Raiso aho anompo anao
Fa anao ny fanjakana
Ny hery sy ny voninahitra
Haleloia  aho Ray Malala
Atao anie ny sitrakao
AMEN

SORATRY EMI  Raoelison

Hevitra mandeha

bichette (01/03/2005 17:09:40)

Amen !

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : EMI RAOELISON

Nampiditra : emi
Daty : 28/02/2005
Mpamangy : 613
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Ry taniko
Madagasikara
T a h o t r a
Sendra !
Koloiko
Voro-kely
Aloka
Feo
Vavaka
Mangirifiry