Voro-kely (EMI RAOELISON)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eto ambaravarakely
N’ilay trano fatoriko
Indreo ireo voro-kely
Mamangy ahy misiotsioka
Mibitsika ny arahaba
Maninton’ho azy ny fijeriko
Mitarik’ahy tsy mihambahamba
Mamerin’amiko ny heriko
Dia maniditsidin’eo
Toa somary mampifila
No manolotr’ho ahy lay feo
Mandrotsy ahy ama-kira
Manambotra ny ankaniny
Ao antafo-tranoko ao
Sy mitaona izay ho haniny
Misasatra tsy mitalao
Eto ambaravaran-kely
Ny tafanay no niandohany
Nanombohanay niresaka
Dinikay tsy nety ho lany
Fitaratra no elanelana
Ny efitra sy tokotany
Ra vorona miserantserana
Mitsaingok’eo mamoha ahy ho faly
Raha sendra mba voakatona
Ilay lamba zay mpanakon’andro
Tandindon’ilay voro-kely
Mandalo fona mahafinaritra
Variana aho miteny mihery
Mihaino ny siokany sy feony
Ny sidiny fangalam-piery
Ny tafan’ireo voro-kely
Ka toa fahazarako isan’andro
Ny mitodika mijery
Sao tsy ao ra-voro-kely
Ka ho banga aho sy hanirery

SORATRY EMI Raoelison
--------
Rohy:
1003 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : EMI RAOELISON
Nampiditra : emi
Daty : 28/02/2005 15:28
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014