FITIA TE HANAN-DROA (endrika01)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Toy ny voninkazo tsara bika
'zato endrikao sariaka
'zay nanitona ahy avy hatrany
ka indro aho tonga mba hanotany!

Zato fihetsikao milanto,firesakao malemy
toy ny an'zazakely vao mianatra miteny
ka moa tsy ontsaontsa ireo fo mandre izany
kanefa ity fisainana mirefarefa aminy tany


Iza moa izato anaranao Andriamatoa?
fa toa mahavariana sy maha-zendana tokoa
ny fahasahiana anananao fa tena mafy loha
sa mahery vaika ilay fitia te hanan-droa?


Tiako ho tsapanao ny ratra anatiko ao
ô ry voninkazo tsy fanao am-bazy
ka valio 'raha sitrakao zao faniriako 'zao
ny hampakarako anao ho vady mariazy



Vao tsy ampy ora iray ny nahitako ny endrikao
dia kabary lava reny no indro alahatrao
na ny momba anao tsisy fantatro daholo
ka mandehana ianao misidina any ry 'lay lolo


Zay ve no mba valin-teninao tamin'iny
toy raho-mitatao mana-maizina ny tany
soa ihany lahy fa mbola ao 'lay tokako iny
ka veloma ianao,mbola hiaona am-parany any !





Ny faran-teninao tsy hapaninona ahy akory
Tsy fantatrao angaha ,ny tany anie ka boribory
jamban'ny fitia te hanan-droa
tsy ho ela akory ianao dia ho votsi-droa.


soa ny manan-droa fa tandremo, sao votsi-droa!
--------
Rohy:
2039 2
Hevitra mandeha
voniala ( 03/03/2008 09:16)
io zao ianao fa nofatoran'ny RIMA Kanefa tokony ho tsara lay poeme
endrika01 ( 06/03/2008 11:59)
marina izany,io anié lay noresahko an'i voniala é,misy mahahirana kely ahy.
endrika01 ( 06/03/2008 12:00)
vao tsy mbola manana talenta fa lay vao mianatra nmandeha,mia mpitantana é,zarako aza ianao manampy.
achrafhanna ( 24/03/2008 12:08)
efa mety ka,asio ezaka ihany anefa
endrika01 ( 31/08/2008 09:44)
voniala>efa nahitsiko.
ANJARA7 ( 08/07/2009 13:21)
aza de mamely mafy ny manan droa aky a!tsra be ny ventsondry!
endrika01 ( 12/07/2009 07:53)
ha ha ha ha,tena am fonjy ve zany? ;-)

hi hi hi,ka te hampirafy eo izy kou,

dia aleo omena ,zay mba tiany ho heno e :D
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105